Noho ity ... Nofi(o)ko...

Noho ilay tahotro tsy fantatro izay antony,

Noho ilay henatro amin’izato hakantony,

Dia nanjary sahy aho toa tsy sahy,

Dia teo valalanina ny saina amam-panahy

 

Handroso aho hamboraka ny mba faniriako,

Matahotra aho anefa sao hamparikoriko,

Ty’ vorokitsaiko toa tsy mendrika akory,

Sa hampionom-po dia tsy handry saina tsy hatory,

 

Fa nahoana no iny no niserana ny masoko,

Fa tsy ny mitovy amiko, mba hahamanga izany kaloko,

Izao hirifiry anaty toa tsy haiko hovonoina,

Ka na ny alony aza toa tsy foiko hadinoina,

 

Hay moa ka nofy, dia mipetraka ho nofy,

Nofin’ny havizanako, ka nandreraka ity nofo,

Zary efa trotraka, toa tsy haharina intsony,

Ka dia nofinofy sisa no hany nampitony, 

 

Am-pitiavana be foana

FANHAIKY

(3) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Aleo ... eto

Eto am-panoratana ity aho dia sady lasa ny saiko, no toa manoratra zavatra tsy mitombina aho nefa toa mahafinaritra ahy ny manoratra azy na dia somary adaladala aza ilay hevitra. mbola vao mpiana-bao koa dia tsy mahagaga tsy mbola tonga amin'ny antonony hatramin'izao ...

 

Raha sitrakao, mba avelao aho ho irery,

Hametsovetso eto, hitanisa sy hanadino,

Ireo tsy tiako ho tsaroina,

dia ireo tsy foiko hovonoina,

 

Dia ireo rehetra tsara avy aminao,

Sy ireo tsy zakako indraindray,

Ireo teny mamy sy masiaka,

Ireo fahendrena sy ny ditra,

 

Tsy manahy, fa avelao aho ho eto ihany,

Hankahery tena, ary koa hitomany,

Hankafy, sy hakamamy ny hetraketrak’ity tany,

izay vesarin-kafaliana, tsy hialam-pahoriana,

 

Eto aho mahatsiaro, ho afaka,

tsy voateritery, tsy voateniteny

Eto tsy misy fanontaniana,

na mitaitain-dava aza eto akaiky fitoniana, 

 

FANHAIKY

Am-pitiavana be foana ...

(1) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

RAHA TSY NISY LALANA ....

Dia lasa ny saina tamin'ireny fitokonan'ny Mpitsara sy ny tariny ireny dia hoe:

raha tsy nisy lalàna,

raha tsy teo koa ny didy,

dia an'iza ny fanjakana,

dia iza no handidy,

hahazo aina ireo be sandry,

hanjakazaka ireo biby saina,

ireo osaosa tsy ho tafandry,

ireo malemy hirehitra aina

soa fa nisy ny lalàna,

soa ihany koa fa isika nanan-tsaina,

ka na misy aza ny adalàna

dia mbola saro-bidy hatrany ny aina

 

Mbola isaorako ihany aloha hatreto Ilay Nahary antsika nanome ny olombelona saina amam-panahy hahay handinika hamakafaka, fa raha tsy izany dia tsy nisy valaka tamin'ny biby tokoa isika. raha dinihina toka anie hoe tany tsy misy lalàna izany samy manao izay danin'ny kibony sy izay tiany hatao, mba alaivo sary an-tsaina anie ny zavatra hitranga dia mba tantarao hoe.

 

Am-pitiavana be foana

FANHAIKY

(4) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

...

Lay segaondra maro nifandimby

No tonga minitra iray sarobidy,

Dia lasa ora iray saro-pady,

No nameno andro iray, hiatrehana ady

 

 Dia lany teo ny herinandro,

Niadiana mafy tamin’ny adim-pamataranandro,

Nifandimbiasam-pahasoavana tsy nialana olana

Dia ireny no nandrafitra, ity volana

 

Dia voadika teo ny andro lasa koa ny alina,

Lohataona, fahavaratra, ary koa ny ririnina.

Dia mba nifoha teo koa ny faniriana lalina,

fa amin’ny taona ho avy mbola mety ho ambinina,

 

dia izay no heritaona, heritaona lasa,

taona iray nahafaly ary koa nandratra,

taona iray nampianatra,

fa ilay taona ho avy mba ho anatra,

 

Mba hivereno tsidihana anie ity eh! Firy andro marina moa dia ho lany indray ity taona ity mirimorimo mafy mihitsy ah!

Mazotoa daholo eh! dia eto aho vao mandinika fa ohatra ny manenjika rima fotsiny ilay izy, nefa izay votoatiny re vakiana fa tsy maninona io eh!!! mankasitraka indrindra.

Am-pitiavana be foana

FANHAIKY

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Bonne Fête daholo ry Neny aaahhh!!!

Raha tonga ny fetin'ny Reny 

izaho no manolotra moa 

manolotra sady miteny 

bà ny takolaka roa

bfm
Dia maka tombony sahady miarahaba anareo izay efa Reny rehetra eh!!! maka tombony miarahaba fa tsy misy "internet" jerena rehefa alahady. 

Dia Ilay Andriamanitra manakarem-pahasoavana hitahy sy homba anareo hatrany ry NENY MALALA isany. Dia ho lava andro iainana hatrany eeehhh!!! 

FANHAIKY 

Am-pitiavana be foana 

(3) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

AZA MBA VOANY IHANY!!!

Mety mba misy olona mitovy eritreritra amiko ve ?

Raha toa ka hoy Andriamanitra hoe Ra… inona teo amin’ny vanim-potoana niainanao no tianao hiverenana dia tsy hisalasala aho hilaza hoe avereno tamin’ny fotoam-pahazazako aho. Ny antony rehefa leo ny gidragidran’ny fiainana sy ny hafainganam-pandehany diso tafahoatra mila tsy ho araka aho dia lasa saina hoe raha mba zaza aho izao dia tsy niasa saina tamin’izany fa matory dia midongy sy mitaraina rehefa noana Cry, aza mba sain-jaza ohatra ahy ihany.

Mijery ireo sariko fony mbola kely aho dia mitsiriritra sy mandinika toa antitra sahady izaho ity tamin’izany mantsy mbola mahafatifaty kely ery anjely kely Innocentmoa ny filazantsika azy izay.

Nefa ny tanjona tiako ho tratrarina sy hahatongavana mbola tsy tratrako ihany hatramin’izao, mbola ho ela, nefa ity izy efa mihareraka. Saingy ny fotoana tsy mihemotra fa mandroso hatrany. Dia ny fandinihana izany no mahatonga ahy toa hirediredy sy mitady hamorona nofinofy anganon’ny fiainako indraindray tena mampihomehy Smile.

Fiainana daholo izany, tsy izaho irery no hiseho hitaraina sy hiseho hahay ny hatsarany diso tafahoatra fa mba miara-mizaka ny hamaminy miaraka amin’ny besinimaro eny .

Tapitra izay ny redirediko tsy ataoko hoe diso tafahoatra fa mba sendra niserana tato an-doha, hay tokoa moa efa vosoratra hoe ny hatsembohan’ny tavanao no hihinanao eh ! ny soratra tokoa mipetraka ary tena manankery, tsy sanatria akory maniratsira ny Tenin’Andriamanitra fa mba miblaogy masina kely fotsiny Innocent

alt

Teo amin'ny faharoa taonako hono io

Dia hiverina any amin'ny taona maro efa lasa indray aho izany Surprised

Am-pitiavana be foana 

FANHAIKY 

 

(15) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

IZAHO SY NY ANDROANIKO ...

Mba hifety kely aho aloha androany, eny eh! mba indray mandeha monja isan-taona ihany, indraindray aza toa tsy tsaroako akory fa manempotra sy mampirotoroto loatra ity fiainana, dia mba tsaroako androany dia mankalaza kely dia kely fotsiny. sady misaotra an'Ilay nahary ihany aho fa mbola fitiavany matoa nahatratra izao sy mba afaka nizara izao aminareo namana rehetra.

ny anton'ilay fety aloha dia azonao tsidihana eto, na dia efa roa taona tany aza izy ity, mba mila vaniny kely fotsiny satria aminareo namako ihany aho no afaka manao izany. 

dia mirary soa ho antsika rehetra indrindra, dia samia ho tahian'Ilay Avo indrindra hatrany. 

 

alt

FANHAIKY 

Am-pitiavana be foana

(525) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

FITADIAVANA NY VERY

Hitako ihany, efa ela aho no nitady ity tononkalo ity, izy ity mantsy no mba hany sombiny nosoratako tamin'izaho vao nianatra nanoratra tononkalo voalohany tsy haiko mety tany amin'ny kilasy fahasivy tany ho any, efa ela no nikarohako azy ireto ka hitako ihany. 

TETO 

Teto, tanana roa nifamatotra 

Teto, olona roa samy matotra 

Mbola teto, fo roa nifampizara 

Teto, samy niaiky fa anjara 

 

Saingy teto no nifarana 

Na dia teto aza no nisantarana 

Mba niriana ho mandra-maty 

Saingy tsy mba namoa teto ireo nafafy. 

 

Eny fa eto no hany sisa fahatsiarovana 

Tsy azo ialana, fa lalana lalovana 

Miezaka mahatsiaro ireo hany mba kely tsara 

Tsaroana foana ireny na tsy anjara. 

 

FANHAIKY 

Am-pitiavana be foana 

alt


 

 

(5) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

19 Mars "Fetin'i Masindahy Josefa"

altFetin'i Masindahy Josefa tokoa androany. Mba mankalaza koa aho satria fetin'ny Olomasina mpiahy sy mpiaro ny sekoly nanabe sy nanolokolo ahy fahiny, ary mbola Olomasina mpiahy ny fiangonana misy ahy ankehitriny. Dia miarahaba anareo izay tompo-pety androany koa, dia ho tratran'ny manaraka mitsingerina eny foana

  Masindahy Josefa ilay lehilahy marina,
Zanak'i Jakoba, 
Vadin'i Maria,
Ilay nofidian'Andriamanitra ho Ray mpitaiza sy niahy ny zanany.
Mpandrafitra no asany,

"Izy no Olomasina mpiahy ny mpandeha, mpifindra monina, mpiasa, ary ny mpandrafitra"

Ray modely sy filamatra tao anatin'ilay FIANAKAVIANA MASINA


FANHAIKY

Am-pitiavana be foana

(70) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Lalana, sarim-piainan'ny fiarahamonina ...

Rehefa nandinika ity horonan-tsarin'ny Tarika RABOUSSA ity aho, dia eny an-dalana tokoa no tena ahitana ny karazam-piainan'olona maro, hita miharihary ny elanelana eo amin’ny samy malagasy iray firenena, iray tanindrazana.

Tena tiako ilay hira (sary sy ny tonony) fa tsy ny tonony no nahamaika ahy teto fa ilay sary miseho mihitsy dia eo no ahitana fa mampalahelo ny fiainan'ny malagasy ankehitriny.

Eny an-dalana tokoa moa ankehitriny no tena ahitana fa mafy ny fiainana ankehitriny, miteny irery, mangalatra, misoloky, mpangataka, ny fitombon'ny adala moa tsy lazaina intsony.

Ady tokoa ny fiainana , ny hohanina androany tadiavina androany ihany.

mba rahoviana tokoa moa vao mba ho tanteraka ilay hira fanevantsika iny hoe:

"Tahionao ry Zanahary ty nosin-drazanay ity

hiadana sy ho finaritra

Eh! sambatra tokoa izahay"

Ny ampitso sy ny ho avy  mba hanao ahoana ? Dia ankinina amin’Izy ao ambony hatrany fa Izy irery ihany no tompon’ny zava-drehetra ary Izy ihany koa no tompon’ny fanalahidy amin’izao fiainana mandalo izao.

SmileAM-PITIAVANA BE FOANA Smile

FANHAIKY

(6) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

FOTOAN-GASY ...

Faly miarahaba antsika rehetra namana sy mpitsidika indray eh!

Tsy hoe fotoan-gasy amin'ilay manimba ny sofintsika akory no tiako ambara fa ny famaritana na fahalalan'ny Malagasy fahiny ny ORA, amin'ny fotoana rehetra mandritra ny iray andro na 24 ora.

Sendra hitako tamin'ny ireo kahie-ko tany amin'ny kilasy fahaefatra dia manontany tena aho hoe: "Mbola misy mahatsiaro izany ve? ary mbola ampiasaina amin'izao vanim-potoana misy antsika izao ihany ve".

Hafahafa ihany ny hamaly olona iray manontany ora aminao ohatra amin'ny firy kay izao azafady: dia ny valiny ampamatoran-janak'omby. mety hisy ahalala izany ve?

NY ORA MALAGASY

00h : Misasakalina

01h : Misafo helika ny kary

02h : Maneno sahona

03h : Maneno akoho tokana

04h : Mangiran-dratsy

05h : Mifoha olo-mazoto

06h : Vaky masoandro

07h : Maim-bolon-dravina

08h : Mivoaka omby

09h : Mivoaka omby tera-bao

10h : Misandratr’andro

11h : Atoandro benanahary

12h : Mitataovovonana

13h : Mitsidika ny andro

14h : Tafalatsaka ny andro

15h : Ampamatoran-janak’omby

16h : Ambava-fisoko ny andro

17h : Mody omby

18h : Maty masoandro

19h : Maizim-bava vilany na manokom-bary olona

20h : Homam-bary olona

21h : Tapi-mandry olona

22h : Loha-tory

23h : Mamantona alina 

Izay indray aloha no mba azoko zaraina androany, fa mirary soa ho antsika rehetra hatrany

Am-pitiavana be foana

FANAHAIKY

(10) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

HIVAVAKA AHO MBA ...

Hivavaka aho mba

ho an'ireo minia tsy te hahalala

manalavitra ity vala,

Mba ho tonga saina indray 

ka hiverina ao an-tranon-dRay 

Hivavaka aho mba ...

ho an'ireo vizana nitady, 

ireo ela niafiana, sy trotraky ny ady 

Mba hody ventiny amin'izay 

ilay niaretany hatrizay.


Hivavaka aho mba ...

ho an'ireo lavi-pifaliana 

ireo misento lava, vesaram-pijaliana 

Mba ny alahelony hisava 

ny zioga entiny ho rava 

Hivavaka aho mba ...

ho an'ny olon'ity tanindrazako ity 

Mba hahatsiaro foana fa mbola I Kristy 

No ilay Mpitondra Famonjena, Fandresena 

ary mba ho lavitra azy ireo koa 

ny fitiavan-tena 

Hivavaka aho mba ...

ho ahy sy ho anao ary koa ho azy 

Mba hahay hifamela fa tsy hifanasazy 

ka hanamafy hatrany ilay firaisam-po

firaisan-tsaina. 

ka mba ho tanteraka tokoa 

ilay tenintsika: "IRAY VATSY, IRAY AINA" 

 

Izay Ry Raiko no mba vetsovetsom-poko, 

hany faniriako sy mba hitalahoako, 

AMEN !!! 

 

FANHAIKY

Am-pitiavana be foana 

(01 Fev 2011) 

 

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Ny Tantaran'ity blaogiko ity.

Tamin'ny voalohany aho dia sahiran-tsaina ny amin'ny zavatra izay hamenoako ity blaogiko ity, ny tanety lava hono misy hisainana, roa taona latsaka aty afara dia mbola mikaroka foana fa mba te-hizara izay kely mba takatry ny saina sy fanahy eh!!! roa taona latsaka nahitako namana maro samihafa ihany koa nifampizara ny hafaliana, nifankahery, nifampitaiza ... 
 
Ny lahatsoratra tadidiko voalohany tamin'izany dia ny hoe: "Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. azonao ovaina na fafana ao amin'ny toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity. Misaotra anao mampiasa an'ny Blaogy." Tamin'ny 21 Febroary 2009, ny antony tsy namafako an'io dia mba tsy hanadinoako ny daty voalohany nidirako tato amin'ity blaogy ity.
 
Dia nandramako aloha hoe ady hevitra ve no tsara atao? nefa izaho tsy dia havanana amin'ny fanatosahana resaka na hevitra izany, fotoana nampamaivay ny toe-draharaham-pirenena koa moa tamin'izany ka dia mba niditra amin'ny resaka politika sy ny vaovao hita sy tsapa nefa tsy natao ho ahy ny asan'ny mpanao gazety na hitatitra an-dahatsoratra ny zava-mitranga iray izany, dia najanoko teo ny momba an'iny. 
 
Nivadika teny andro sy ny volana dia niezaka namorona sokajy dia natambatra ho iray avokoa izay rehetra mety ho mitovy toerana sy sokajy IREO MBA HAIKO, IZAY TIA MIZARA, FIARAHAMONINA izay mbola ezahina ampiana isaky ny mahita zava-mitranga mitovitovy saranga.
 
TONONKALO:Mbola mpianatra aho dia efa naniry ny hahafehy sy hahay hanoratra toy ireo Mpanoratra malagasy maro, mpankafy sy tia mamaky fa ny malagasy ihany, hatramin'izao dia mbola lavitry ny afo ny kitay fa mbola tena tsy ao mihitsy amin'izany resaka asa soratra izany fa mba manao izay kely afaka fotsiny, fa ny tsimbaramaro aloha dia saika mirona amin'ny zavatra mampalahelo sy mahonena foana no ironan'ny fanahiko mba manao zavatra ihany fa tsy mety mahita hevitra mihitsy, nefa aleoko amin'izao f'izay angamba no mety amiko.
 
TENY MALAGASY: Sarotiny amin'ny teny vary amin'anana sy fandisoan-teny (Fiteny, tsipelina) nefa izaho no be hadisoana indrindra amin'io resaka io, tsy haiko fa na miresaka aman'olona aza aho dia raha vao mifangaro dia izaho mihitsy ilay mpanadrohadro hoe ataovy amin'ny fitenin-drazana ilay resaka fa tsy fantatro izany.
 
Htreto dia misaotra ny tompon-kevitra sy ireo mpamorona ity fifaneraserana iray ity aho fa nanova zavatra betsaka tamiko izy ity na amin'ny fiainana an-davanandro no afaka mampitombo kely izay tsy hitako tany an-tsekoly ihany koa ary tena tiako izy ity fa Malagasy. Dia mankasitraka anareo namana rehetra tsy an-kanavaka ihany koa fa fitia lehibe no nomenareo sy nozarainareo tamiko, tsiky, hafaliana, fivoarana ho ahy, fifanampiana na dia tsy fantatro anarana sy endrika aza ianareo dia tsy niafina tao ambadiky ny solon'anarana  na sarin-tava fa ny tao am-ponareo tokoa no nivoaka dia Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie hamaly soa sy fitia anareo hatrany. Dia mirary soa sy fanambinana ho anareo sahady koa amin'ity taona vaovao 2011 ity.
 
MANKASITRAKA EH!!! 
FANHAIKY 
Am-pitiavana be foana
 
izaho 

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

MIRARY NOELY SAMBATRA HO ANTSIKA REHETRA EH!!!!

Faly miarahaba antsika namana rehetra indray nahatratra soa izao Fahateraham-pamonjena izao, dia mirary ny Soa sy ny tsara rehetra ho antsika hatrany.
 
NC
 
Dia Ilay Mpamonjy tonga nofo anie 
hiaro sy hitantana antsika hatrany.
 

 
Dia enga koa anie hitondra fiovana sy fiadanana ho an'ilay Tanindrazantsika ao anaty ady mafy izao noely izao indrindra fa Isika malagasy ao anatiny sy ivelan'i Madagasikara
Dia manaova fety sambatra daholo! 

 
FANHAIKY
 
 

(3) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Antso ho anao

Miaraba antsika indray eh!

Ity hira ity dia manamarika zavatra betsaka amiko ary tena mifono ny tena atao hoe Fitiavan'Andriamanitra, mankahery anareo namana hatrany dia mazotoa mihaino eh!!! 

Fanhaiky am-pitiavana be foana!!!

 

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Ry Lasako...

Oh! ry LASAKO tsy foiko,
Ry LASAKO, toa vandana 
Tsy mba nolokoiko, 
Fa dia teo ngazangazana 
 
Tsy mba nolaroiko 
'Lay hatsarana tao anatiny 
Na koa mba nokaloiko, 
Ho tsiaro ny firafiny 
 
Fa dia LASA very maina 
LASA tsy mba notsaroiko 
Fa LASA tsy mba nantenaina 
Eny, fa ny LASAKO tsy foiko 
 
fh
Am-pitiavana be foana
(Fahn 28 Oct 2010)
hmm 

(1) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Dia nangina tato izany izy ity!!!!

Manahoana daholo indray ehhh!!!

SLT

nahatsiaro dia nandalo, sao dia feno tranon-kala ato ity,

dia maniry anareo namana foana

mba hitsidika eh!!!!!!

ab

dia mirary soa hatrany, dia mazotoa amin'izay atao daholo 

fh

Am-pitiavana be foana!!!!!

 

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Ho an'ilay Malalako

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE

 

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

ANTSAM-PITIAVANA

 

Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako …

Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako …

Ametrahako ny androko, ny fo, ny fanahy sy fisainako,

Aminao no miatomboka ka mifarana ny fiainako … !

 

Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko

Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko !

Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy !

Anjely mpiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy

 

Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako !

Hira mamiko izany ka tsy afaka am-bavako !

Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany !

 

Fa fitiavako ianao e ! fitiavako madio …

Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio :

Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany !

 

DOX

( Fanhaiky)

 

(1) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

MBA MISAHIRANA KELY TOY IZAO EH !!!!!

 
Alohan'ny hidirana eto amin'ity blaogy ity dia toy izao foana no zavatra ataoko, mba misahirana mandika amin'ny tanana kely aloha any an-trano, zay vao zaraina eto fa ny mahagaga dia toa tsy mahazo aina izany aho raha vao tonga dia eto amin'ity milina ity no sady mamorona no mandika fa mandray taratasy foana aloha dia mampiasa vakiraoka toy izao foana, sady mahafinaritra koa anie ilay manoratra eh! 
Ampitiavana be foana eh!
 

 
 
 
 
 

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)