...

Lay segaondra maro nifandimby

No tonga minitra iray sarobidy,

Dia lasa ora iray saro-pady,

No nameno andro iray, hiatrehana ady

 

 Dia lany teo ny herinandro,

Niadiana mafy tamin’ny adim-pamataranandro,

Nifandimbiasam-pahasoavana tsy nialana olana

Dia ireny no nandrafitra, ity volana

 

Dia voadika teo ny andro lasa koa ny alina,

Lohataona, fahavaratra, ary koa ny ririnina.

Dia mba nifoha teo koa ny faniriana lalina,

fa amin’ny taona ho avy mbola mety ho ambinina,

 

dia izay no heritaona, heritaona lasa,

taona iray nahafaly ary koa nandratra,

taona iray nampianatra,

fa ilay taona ho avy mba ho anatra,

 

Mba hivereno tsidihana anie ity eh! Firy andro marina moa dia ho lany indray ity taona ity mirimorimo mafy mihitsy ah!

Mazotoa daholo eh! dia eto aho vao mandinika fa ohatra ny manenjika rima fotsiny ilay izy, nefa izay votoatiny re vakiana fa tsy maninona io eh!!! mankasitraka indrindra.

Am-pitiavana be foana

FANHAIKY

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)