FOTOAN-GASY ...

Faly miarahaba antsika rehetra namana sy mpitsidika indray eh!

Tsy hoe fotoan-gasy amin'ilay manimba ny sofintsika akory no tiako ambara fa ny famaritana na fahalalan'ny Malagasy fahiny ny ORA, amin'ny fotoana rehetra mandritra ny iray andro na 24 ora.

Sendra hitako tamin'ny ireo kahie-ko tany amin'ny kilasy fahaefatra dia manontany tena aho hoe: "Mbola misy mahatsiaro izany ve? ary mbola ampiasaina amin'izao vanim-potoana misy antsika izao ihany ve".

Hafahafa ihany ny hamaly olona iray manontany ora aminao ohatra amin'ny firy kay izao azafady: dia ny valiny ampamatoran-janak'omby. mety hisy ahalala izany ve?

NY ORA MALAGASY

00h : Misasakalina

01h : Misafo helika ny kary

02h : Maneno sahona

03h : Maneno akoho tokana

04h : Mangiran-dratsy

05h : Mifoha olo-mazoto

06h : Vaky masoandro

07h : Maim-bolon-dravina

08h : Mivoaka omby

09h : Mivoaka omby tera-bao

10h : Misandratr’andro

11h : Atoandro benanahary

12h : Mitataovovonana

13h : Mitsidika ny andro

14h : Tafalatsaka ny andro

15h : Ampamatoran-janak’omby

16h : Ambava-fisoko ny andro

17h : Mody omby

18h : Maty masoandro

19h : Maizim-bava vilany na manokom-bary olona

20h : Homam-bary olona

21h : Tapi-mandry olona

22h : Loha-tory

23h : Mamantona alina 

Izay indray aloha no mba azoko zaraina androany, fa mirary soa ho antsika rehetra hatrany

Am-pitiavana be foana

FANAHAIKY

(10) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

HIVAVAKA AHO MBA ...

Hivavaka aho mba

ho an'ireo minia tsy te hahalala

manalavitra ity vala,

Mba ho tonga saina indray 

ka hiverina ao an-tranon-dRay 

Hivavaka aho mba ...

ho an'ireo vizana nitady, 

ireo ela niafiana, sy trotraky ny ady 

Mba hody ventiny amin'izay 

ilay niaretany hatrizay.


Hivavaka aho mba ...

ho an'ireo lavi-pifaliana 

ireo misento lava, vesaram-pijaliana 

Mba ny alahelony hisava 

ny zioga entiny ho rava 

Hivavaka aho mba ...

ho an'ny olon'ity tanindrazako ity 

Mba hahatsiaro foana fa mbola I Kristy 

No ilay Mpitondra Famonjena, Fandresena 

ary mba ho lavitra azy ireo koa 

ny fitiavan-tena 

Hivavaka aho mba ...

ho ahy sy ho anao ary koa ho azy 

Mba hahay hifamela fa tsy hifanasazy 

ka hanamafy hatrany ilay firaisam-po

firaisan-tsaina. 

ka mba ho tanteraka tokoa 

ilay tenintsika: "IRAY VATSY, IRAY AINA" 

 

Izay Ry Raiko no mba vetsovetsom-poko, 

hany faniriako sy mba hitalahoako, 

AMEN !!! 

 

FANHAIKY

Am-pitiavana be foana 

(01 Fev 2011) 

 

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)