« Mialoha | Manaraka»

Noho ity ... Nofi(o)ko...

Noho ilay tahotro tsy fantatro izay antony,

Noho ilay henatro amin’izato hakantony,

Dia nanjary sahy aho toa tsy sahy,

Dia teo valalanina ny saina amam-panahy

 

Handroso aho hamboraka ny mba faniriako,

Matahotra aho anefa sao hamparikoriko,

Ty’ vorokitsaiko toa tsy mendrika akory,

Sa hampionom-po dia tsy handry saina tsy hatory,

 

Fa nahoana no iny no niserana ny masoko,

Fa tsy ny mitovy amiko, mba hahamanga izany kaloko,

Izao hirifiry anaty toa tsy haiko hovonoina,

Ka na ny alony aza toa tsy foiko hadinoina,

 

Hay moa ka nofy, dia mipetraka ho nofy,

Nofin’ny havizanako, ka nandreraka ity nofo,

Zary efa trotraka, toa tsy haharina intsony,

Ka dia nofinofy sisa no hany nampitony, 

 

Am-pitiavana be foana

FANHAIKY

(3) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Hevitra 3 "Noho ity ... Nofi(o)ko..."

Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article