Ny Tantaran'ity blaogiko ity.

Tamin'ny voalohany aho dia sahiran-tsaina ny amin'ny zavatra izay hamenoako ity blaogiko ity, ny tanety lava hono misy hisainana, roa taona latsaka aty afara dia mbola mikaroka foana fa mba te-hizara izay kely mba takatry ny saina sy fanahy eh!!! roa taona latsaka nahitako namana maro samihafa ihany koa nifampizara ny hafaliana, nifankahery, nifampitaiza ... 
 
Ny lahatsoratra tadidiko voalohany tamin'izany dia ny hoe: "Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. azonao ovaina na fafana ao amin'ny toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity. Misaotra anao mampiasa an'ny Blaogy." Tamin'ny 21 Febroary 2009, ny antony tsy namafako an'io dia mba tsy hanadinoako ny daty voalohany nidirako tato amin'ity blaogy ity.
 
Dia nandramako aloha hoe ady hevitra ve no tsara atao? nefa izaho tsy dia havanana amin'ny fanatosahana resaka na hevitra izany, fotoana nampamaivay ny toe-draharaham-pirenena koa moa tamin'izany ka dia mba niditra amin'ny resaka politika sy ny vaovao hita sy tsapa nefa tsy natao ho ahy ny asan'ny mpanao gazety na hitatitra an-dahatsoratra ny zava-mitranga iray izany, dia najanoko teo ny momba an'iny. 
 
Nivadika teny andro sy ny volana dia niezaka namorona sokajy dia natambatra ho iray avokoa izay rehetra mety ho mitovy toerana sy sokajy IREO MBA HAIKO, IZAY TIA MIZARA, FIARAHAMONINA izay mbola ezahina ampiana isaky ny mahita zava-mitranga mitovitovy saranga.
 
TONONKALO:Mbola mpianatra aho dia efa naniry ny hahafehy sy hahay hanoratra toy ireo Mpanoratra malagasy maro, mpankafy sy tia mamaky fa ny malagasy ihany, hatramin'izao dia mbola lavitry ny afo ny kitay fa mbola tena tsy ao mihitsy amin'izany resaka asa soratra izany fa mba manao izay kely afaka fotsiny, fa ny tsimbaramaro aloha dia saika mirona amin'ny zavatra mampalahelo sy mahonena foana no ironan'ny fanahiko mba manao zavatra ihany fa tsy mety mahita hevitra mihitsy, nefa aleoko amin'izao f'izay angamba no mety amiko.
 
TENY MALAGASY: Sarotiny amin'ny teny vary amin'anana sy fandisoan-teny (Fiteny, tsipelina) nefa izaho no be hadisoana indrindra amin'io resaka io, tsy haiko fa na miresaka aman'olona aza aho dia raha vao mifangaro dia izaho mihitsy ilay mpanadrohadro hoe ataovy amin'ny fitenin-drazana ilay resaka fa tsy fantatro izany.
 
Htreto dia misaotra ny tompon-kevitra sy ireo mpamorona ity fifaneraserana iray ity aho fa nanova zavatra betsaka tamiko izy ity na amin'ny fiainana an-davanandro no afaka mampitombo kely izay tsy hitako tany an-tsekoly ihany koa ary tena tiako izy ity fa Malagasy. Dia mankasitraka anareo namana rehetra tsy an-kanavaka ihany koa fa fitia lehibe no nomenareo sy nozarainareo tamiko, tsiky, hafaliana, fivoarana ho ahy, fifanampiana na dia tsy fantatro anarana sy endrika aza ianareo dia tsy niafina tao ambadiky ny solon'anarana  na sarin-tava fa ny tao am-ponareo tokoa no nivoaka dia Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie hamaly soa sy fitia anareo hatrany. Dia mirary soa sy fanambinana ho anareo sahady koa amin'ity taona vaovao 2011 ity.
 
MANKASITRAKA EH!!! 
FANHAIKY 
Am-pitiavana be foana
 
izaho 

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

MIRARY NOELY SAMBATRA HO ANTSIKA REHETRA EH!!!!

Faly miarahaba antsika namana rehetra indray nahatratra soa izao Fahateraham-pamonjena izao, dia mirary ny Soa sy ny tsara rehetra ho antsika hatrany.
 
NC
 
Dia Ilay Mpamonjy tonga nofo anie 
hiaro sy hitantana antsika hatrany.
 

 
Dia enga koa anie hitondra fiovana sy fiadanana ho an'ilay Tanindrazantsika ao anaty ady mafy izao noely izao indrindra fa Isika malagasy ao anatiny sy ivelan'i Madagasikara
Dia manaova fety sambatra daholo! 

 
FANHAIKY
 
 

(3) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)