Iavoloha 10 Août 1991
" Aza atao taon-dasa tsy tsaroana ity, fa aina koa no latsaka teto..."
(4) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra
" Aza atao taon-dasa tsy tsaroana ity, fa aina koa no latsaka teto..."
(4) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra
Toa foana ny fahiny,
Fa ny vola izao no tompoina
Eny ry ankehitriny,
Ny Tompo aza hadinoina
Fa hatraiza zany heriny
Fa tsy mamela anao hipetraka
Ny fiainanao toheriny
Tsy mahazo raha vao mitady hiketraka
Na salama na marary
Mila azy hatrany hatrany
Mahatsiaro, maharary mijaly
Rehefa tsy eo izy hampifaly
Lay fihavanana taloha
Nandrianina aok'izany
Ny vola izao no ao an-doha
Ka tsy hahatsiarovana izany
Amiko, aminao, amintsika
Mba aoka samy handanjalanja
Lay kolotsainan-tsika
Aza atao vandavanda
Ry namako isany, manam-petra ny herin'ny vola ka aoka tsy hanaovana ts'inonts'inona ny hafa aoka ho tazomina hatrany lay fahendrena tena malagasy dia ny hoe: "Aleo very...."
Faharoa: Lay tena tokony ho tompointsika indray no hadinon-tsika fa variana lava aminy isika, za tsy mandà hoe aza mitady vola fa na izaho aza mba tia vola, Fa aoka mba handeha hitady amin'ny marina sy mahitsy hatrany.
Mazotoa daholo eh!
(1) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra
Namana tsotra sy madio fo,
Izany no katsahiko, isan'andro vaky
Namana hifanoro amin'ny tsara sy ny soa
Satria izany no tanjoko, izaho Fanhaiky
Tsy sanatria hanilika zay efa nania,
Fa mbola hifampizara sy hanome fitia
Koa misaotra sahady anao zay efa nandray
F'izany tokoa no mpiray tampo
Ao amin'Izy Ray
Homba anao hatrany anie Andriamanitra
(3) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra
Lesona ny lalana sy ny fiarahamonina ary indrindra ny fiainana.
"Ny olona hono nateraka ho tsara fa ny fiarahamonina no nanova"
nefa koa,
"Tsy olona hono ny olona raha miaina ivelany na tsy anaty fiarahamonina" (tohiny)
(5) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra
(0) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra