AZA MBA VOANY IHANY!!!
Mety mba misy olona mitovy eritreritra amiko ve ?
Raha toa ka hoy Andriamanitra hoe Ra… inona teo amin’ny vanim-potoana niainanao no tianao hiverenana dia tsy hisalasala aho hilaza hoe avereno tamin’ny fotoam-pahazazako aho. Ny antony rehefa leo ny gidragidran’ny fiainana sy ny hafainganam-pandehany diso tafahoatra mila tsy ho araka aho dia lasa saina hoe raha mba zaza aho izao dia tsy niasa saina tamin’izany fa matory dia midongy sy mitaraina rehefa noana , aza mba sain-jaza ohatra ahy ihany.
Mijery ireo sariko fony mbola kely aho dia mitsiriritra sy mandinika toa antitra sahady izaho ity tamin’izany mantsy mbola mahafatifaty kely ery anjely kely moa ny filazantsika azy izay.
Nefa ny tanjona tiako ho tratrarina sy hahatongavana mbola tsy tratrako ihany hatramin’izao, mbola ho ela, nefa ity izy efa mihareraka. Saingy ny fotoana tsy mihemotra fa mandroso hatrany. Dia ny fandinihana izany no mahatonga ahy toa hirediredy sy mitady hamorona nofinofy anganon’ny fiainako indraindray tena mampihomehy .
Fiainana daholo izany, tsy izaho irery no hiseho hitaraina sy hiseho hahay ny hatsarany diso tafahoatra fa mba miara-mizaka ny hamaminy miaraka amin’ny besinimaro eny .
Tapitra izay ny redirediko tsy ataoko hoe diso tafahoatra fa mba sendra niserana tato an-doha, hay tokoa moa efa vosoratra hoe ny hatsembohan’ny tavanao no hihinanao eh ! ny soratra tokoa mipetraka ary tena manankery, tsy sanatria akory maniratsira ny Tenin’Andriamanitra fa mba miblaogy masina kely fotsiny .
Teo amin'ny faharoa taonako hono io
Dia hiverina any amin'ny taona maro efa lasa indray aho izany .
Am-pitiavana be foana
FANHAIKY
(15) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra