Ho an'ilay namako efa lasa...
TSY HO ADINOIKO…
Aoka fa tsy ho hadinoiko…
Ireo tantara efa vita…
Eny mbola ho kaloiko…
Ary mbola ho ampita…
Reo sangisangy nifanaovana
Ireo adiady efa nisy
Toa ireny no fitaovana
Ankehitriny nefa indrisy…
Eny tantara sisa
Tantara tsy ho voavisa
Tantara mahonena.
Nefa izany no mbola
Hanoloran-tena
Taona vitsy izay
Taona nahafanina
Taona nahamay
Tsy nahateloman-kanina
Lasa lesy ialahy…
Dia nototofan-drangolahy
Eh! Anjaranay ny sisa…
Fa ny an’lah efa paradisa
Mandria am-piadànana lesy
Fa ny anay mbola ho avy
Tsy ho voarefy...
FANHAIKY
Tsidiho koa(5) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra