Lalana, sarim-piainan'ny fiarahamonina ...

Rehefa nandinika ity horonan-tsarin'ny Tarika RABOUSSA ity aho, dia eny an-dalana tokoa no tena ahitana ny karazam-piainan'olona maro, hita miharihary ny elanelana eo amin’ny samy malagasy iray firenena, iray tanindrazana.

Tena tiako ilay hira (sary sy ny tonony) fa tsy ny tonony no nahamaika ahy teto fa ilay sary miseho mihitsy dia eo no ahitana fa mampalahelo ny fiainan'ny malagasy ankehitriny.

Eny an-dalana tokoa moa ankehitriny no tena ahitana fa mafy ny fiainana ankehitriny, miteny irery, mangalatra, misoloky, mpangataka, ny fitombon'ny adala moa tsy lazaina intsony.

Ady tokoa ny fiainana , ny hohanina androany tadiavina androany ihany.

mba rahoviana tokoa moa vao mba ho tanteraka ilay hira fanevantsika iny hoe:

"Tahionao ry Zanahary ty nosin-drazanay ity

hiadana sy ho finaritra

Eh! sambatra tokoa izahay"

Ny ampitso sy ny ho avy  mba hanao ahoana ? Dia ankinina amin’Izy ao ambony hatrany fa Izy irery ihany no tompon’ny zava-drehetra ary Izy ihany koa no tompon’ny fanalahidy amin’izao fiainana mandalo izao.

SmileAM-PITIAVANA BE FOANA Smile

FANHAIKY

(6) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

«Mialoha   1 2