Ny Noely ...
12/20,2011
Rehefa tonga ny andro noely toy izao, dia samy manao izay rehetra tiany atao ny te hifaly manao izay efa tsy fanao ny anao kosa, inona ny noelinao na manana na ory ianao.
Ny noelnay ry zareo ao an-trano bongo mangingina, tsy mba laoka vorotsiloza fa sosoa miampy kitoza, tanin'afo dia izay, rom-patsa miaro sakay e tsembotsemboka eo ry zandry fa tomany kosa ry zoky tomany fa kamboty
Minia mikimpy avokoa
Izao tontolo izao
Ka ny noely zary
Andron’ny manan-katao
Odian-tsy hita ireo
mahantra marobe
Izany no noely ve?
Mamonjy tavanandro
Ireo mpiatsaravelatsihy
Ka mody avela kely aloha
Ny zera baomba ery
Fa rahampitso
Dia tohizana indray
Ny fomba ratsy hatrizay
Fa ny Noelin'ny Malagasy amin'izao, Krizimafy
ARY NY NOELINAO, NY NOELINY ...
Dia mirary soa ho antsika hatrany, Am-pitiavana be foana FANHAIKY