Mba mila fanampiana kely eeehhh!!!!

Faly maiarahaba antsika namana pitoraka blaogy, daholo e! saika mba hila kisa kely hoe: ny tena mbola tsy dia havanana tsara amin'ity resaka ity. Ny tena marina dia hoe inona no atao ny mba tsy hisian'ny SPAM amin'ity blaogy ity fa mankaleo be ilay izy sady mameno pejy fotsiny nefa zavatra tsy misy dikany daholo. Misaotra mialoha sahady amin'ny fanampiana.

Am-pitiavana be foana

FANHAIKY

 

(60) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

IZAHO IHANY...

IZAHO IHANY...

 

Izaho tokoa, iny

Izaho ilay namanao fahiny,

Mbola nahatsiaro anao ankehitriny,

 

Saingy niova aho, hoy ianao

Toa lasa vitsy teny,

Tsy toy ilay taloha,

Toa mitokatokana eny,

Toa tsy te-hiasa loha,

 

Niova aho, hoy ianao,

Tsy toy ilay fahiny,

Fa toa olom-baovao,

 

Fomba fijery, toa masiaka

Fomba fiteny toa midika

Fa leo fiarahamonina,

Ka toa te hitoka-monina,

 

Saingy, izaho ihany iny

Izaho ilay namanao fahiny,

Tsy niova tsy akory,

Fa nandalovan-tsorisory

F’izaho mahatsiaro anao hatrany,

Ary tsy hitoka-monina,

Fa eo akaiky eo ihany.

 

FANHAIKY

(Am-pitiavana be foana)

alt

(4) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Hanoratra aho

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE

Hanoratra aho mba

 

Hanoratra aho mba hizara

Izay rehetra azoko ambara

na ny ratsy na ny soa

dia mbola ho vetsoiko ihany koa

 

hanoratra mba hankato

lay misterin’ny haisoratra

dia ilay mitoetra tsy ho lo

fa hijanona ho soratra

 

hanoratra aho mba hamboraka

ireo tebiteby ato anaty

hanoratra mangina tsy hihorakoraka

fa hamoaka an-tsoratra ireo izay tsy taty

 

eny ho soratro izany, ho soratro ihany

mba hahatsiarovanao fa hay koa

misy namana any ho any

dia ilay Fanhaiky sary mitomany

Fanhaiky

(4) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

FANHAIKY MIRARY NOELY SAMBATRA HO ANAREO NAMANA REHETRA

FANHAIKY Mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho anareo NAMANA REHETRA.

 

JN

 

 
 
 
 
 
 
SAMIA HO TAHIAN'ANDRIAMANITRA DAHOLO

 

 

jn
 

 

DIA HO TRATRY NY TAONA 2010 DAHOLO EH!

 

JN
 

(7) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Fa ny Fitiavana no lehibe indrindra.

Faly mitafa sy manoratra ho anareo namana indray ny tenako.

Tsy hanoratra tononkalo aho fa diniho anie ireto sary ireto dia azonao tsara ny tiako hahatongavana.

Rosemarie Higgins

Rosemarie Higgins efa mianaka ireo 

Rosemrie HigginsLehibe tokoa ny Fitiavana eh!

Rosemarie Higgins

Rosemarie Higgins

Hitako tao anaty gazety Ngah androany io ka nahaliana ahy dia mba nozaraiko aminareo namana ihany koa. Mazotoa daholo dia mirary Noely sambatra ho anareo rehetra sahady FANHAIKY 

(5) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

SATRIA NAMAKO IANAO...

Ianao no tara-masoandro vaovao,
Nitondra hazavana ao anatiko ao,
Izaho izay tanaty haizim-pahakiviana,
Nefa nasandratrao ho @ hafaliana

Eh, soa aho fa nahalala anao
Ianao tokoa no nitondra tontolo vaovao
Aina nahalena ny tany efa maina
Ka nampitsiry indray ny efa ambivitr'aina

Ataoko hoe: rivotra malefaka
Nampitraka indray ty foko efa ketraka
Ny hany mba avaliko, dia tsotra
Fisaorana anaty, tsy atendromolotra

SATRIA NAMAKO IANAO

FANHAIKY 22 SEPT 2009 

Am-pitiavana be foana 

 

(4) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

INONA NO MALAZA EH!

Faly miarahaba anero namana rehetra indray ny tenako, elaela tsy tato dia mba mahatsiaro kely dia manoratra, tsy afa-manoatra fany fitadiavana hono mahazaka maniraka ary tsy mampitombina mihitsy. ho avy tsy ho ela aho hitondra zay mba vita sy takatry ny saina eh! mazotoa daholo ary eh,

ROSE BLANC 

(0) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

DADA ( Atolotro ho an'ny Raiko sy ireo izay efa Dada rehetra)

Dia ho tahian'Andriamanitra daholo anie ireo Raim-pianakaviana rehetra

Dia misaotra an'i Bodo namorona ny Hira 

DADA

Dada olon-tokana
Masoandro amam-bolan’ny fiainako
Tsy mitandro hasasarana
Tsy mety valalanina
Satria mitsinjo an-janany

Dada be fitivana
Jiro nanazava ny fiainako
Niafy dia niafy ianao
Nanao izay azonao natao
Isaorako eto ny anaranao



Ianao indrindra no nampianatra ahy
Hiatrika ny fiainako any aoriana
Niaritra ny mafy ianao
Tsy hisy hahasolo ny anaranao
Hitoetra ao am-poko ny fitiavanao
Fitia tsy manam-petra, ny fiainanao rehetra
O! ry Dada o! Tena tiako ianao

Dada olon-tokana
Masoandro amam-bolan’ny fiainako
Nitaiza sy nanalokolo
Eny, na dia fotsy volo
Zay nataony vokatry ny fo

Dada be fitiavana
Jiro nanazava ny fiainako
Nananatra, nampianatra
Nikolokolo fatratra
Fitiavana tsy takatry ny loha

Ianao indrindra no nampianatra ahy...........

BODO

http://fanhaiky.eklablog.com

(1) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

HO ANAO RY NENY

HO ANAO RY NENY

 

Tsy tononkalo, na koa hainteny

Tsy hirahira, na koa rindran-teny

No hanehoako ny Fitiavako anao

F’ilay toetra tsara nambolenao

Ao anatiko ao

No hany fanomezan-tsarobidy

Atolotro ho anao

Neny,

Reo teny maminao,

Reo tambitambitanao,

Reo tonom-bavakao,

Ampombanao ahy

Mavesa-danja, ireny

Ka hahatsiarovako anao

Amin’izay lalana halehako

Ka ho reherehako

Neny

Anio, no hanehoako

Amin’ny mpiara-belona amiko

Lay FAHENDRENA soa

Nokoloinao tato anatiko

Ka ho asandratro tokoa ;

Mba ho reharehanao

RY NENY TIAKO

 

(Ho tahian’Andriamanitra ianao Ry Neny tsy Foiko)

Fanhaiky 29 Mai 2009

 

Fanhaiky

(4) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Anio 07 May 2009

Anio tokoa, lay hany vanin'andro

Ahatsiarovako ny nahitako ty masoandro

Tonga teto tsy tamin-tsitra-po

Fa tonga teto noho ny fitiavan'olon-droa


Tonga teto koa, noho ny anjara

Mba alahatra ho anatin'ny tantara

Dia tantara tsy haiko fiandohana

Ary mbola mistery fiafarana


Taona maro lasa izay

Nandalovam-pifaliana

Fisedrana mahamay

Tanaty fitomaniana

Dia nisolo tsiky, hehy indray


Soa anefa fa mbola teo ilay Nahary

Naneho ny Fitiavany, ny Voninahiny hatrany

Ka isaoarako Azy, amin'ny fomba ts'isy fetra

Ka mbola ankiniko Aminy hatrany

Ny amiko rehetra


FANHAIKY 07 mai ....07 mai 2009

Ato koa misy...

(11) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Ho an'ilay namako efa lasa...

TSY HO ADINOIKO…

Aoka fa tsy ho hadinoiko…

Ireo tantara efa vita…

Eny mbola ho kaloiko…

Ary mbola ho ampita…

Reo sangisangy nifanaovana

Ireo adiady efa nisy

Toa ireny no fitaovana

Ankehitriny nefa indrisy…

Eny tantara sisa

Tantara tsy ho voavisa

Tantara mahonena.

Nefa izany no mbola

Hanoloran-tena

Taona vitsy izay

Taona nahafanina

Taona nahamay

Tsy nahateloman-kanina

Lasa lesy ialahy…

Dia nototofan-drangolahy

Eh! Anjaranay ny sisa…

Fa ny an’lah efa paradisa

Mandria am-piadànana lesy

Fa ny anay mbola ho avy

Tsy ho voarefy...

 

FANHAIKY

Tsidiho koa

(5) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

AMBOHIJATOVO, 13 MAI...

Misy kianja iray nametraka tantara, toerana fanehoan-kevitra izay lazaina koa fa kianjan'ny DEMOKRASIA tsy iza io fa ny kianjan'Ambohijatovo.

Toerana hifandimbiasan'ireo mpifanandrina roa samy manana ny lokony sy ny anarany, raha loko vonim-boasary taloha.

TGV

Efa niova ho manga tanora sy maintso izany ankehitriny

TIM 

 Asa aloha izay fiafaran'ity lalao ity. fa ny hita dia lay kianja anankiray lasa kianja fifandonana sy fifampiatsiana hatrany aloha hatramin'izao

13 MAI 

Ho aiza no hiafaran'ity Nosintsika ity raha ho toy izao hatrany no iainana.

Vahaolana mbola BARAINGO? aloha hatramin'izao.

(8) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Lay tsiky...

 NY TSIKY

Une sourire ne coûte rien, et produit beaucoup
Il enrichit ceux qui le reçoivent
Sans appauvrir ceux qui le donnent
Il dure qu'un instant
Mais son souvenir est parfois éternel
Personne n'est assez riche pour s'en passer
Personne n'est assez pauvre pour le mériter

Zarao amin'ny hafa ny hafalianao, fa hahazo hafaliana hafa vaovao ianao

tsy hampahantra anao izany fa ahazoana tombony.

(0) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Ho anao io...

Isaorako mialoha an'i Bessa sahady, ity tononkira ity ary atolotro ho anao io, tsy manavaka na iza na iza na inona firehan-keviny na inona.

Bessa 

Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,
Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena
Ka ny olona rehetra mahazo azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no fitiavana

Ny Andriamanitra inoako tompon'ny fahendrena
Te hanova izay ratsy ho tsara
Tsy mba faly manjera na revolisionera
Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany
Ny Andriamanitra inoako Andriamanitra fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny no hany fandreseny
Fa Izy no fitiavana
Dieu unique et tout puissantAlalino ary diniho fa marina dia marina ny tonony.

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Zaro amin'ny lalana tokony halehany ny zaza eh...

Zava-misy mampihomehy, ary miteraka voka-dratsy tsy ampoizina ny fiatraikany; ts'inona akory ny tiako hifampizarana aminao fa ny fomba fitaizana ny zaza.

Zava-nisy marina no ho tantaraiko aminao tsy hilaza anarana na toerana aho fa ny  zava-nisy dia toy izao:

- Naniry ny hanan-janaka vavy ny mpivady tao amin'ny tokan-trano iray, eny bevoka tokoa ramatoa sady zanany voalohany rahateo koa moa, noho izay faniriana zanaka vavy izay dia kojakoja momba ny vavikely avokoa no novidiana nandritra ny fitondrana vohoka.

- Volana vitsivitsy taty aoriana tonga ny vahiny tsy nampoizina satria lahy no tonga fa tsy vavy, noho ny fahadisam-panantenana dia nankahery tena nitaiza fa notaizana toy ny mitaiza vavikely ny lahikely na fampiakanjona na fampilalaovana (saribakoly sns...) nentiny teo amin'ny fahazazany izany ary tsy niova fa dia vavikely na fihetsika na fomba amam-panao.

- Lehibe teny izy tsy nana-namana afa-tsy vehivavy fombam-bavy.

VOKANY

- Lasa sarim-bavy, fiteny vehivavy, fihaingo vehivavy, fomba rehetra vehivavy, ny mahatsikaiky dia mitory fitiavana amin'ny lehilahy toa azy, tezitra raha vao atao ialahy.

- Raha ny endrika ivelany aloha dia mamitaka tanteraka ho an'izay tsy mahalala fa dia vehivavy tokoa. ankehitriny aloha izy dia nikambana ao amin'ireny fikambanana efa diso fantantsika ireny eh.

NY TIAKO AHATONGAVANA:

- Ekeo izay nomen'Andriamanitra fa mahasoa anao iny ary iny koa no sitrany matoa tonga eo.

- Araho amin'ny maha-izy azy ny fomba fitaizana azy rehefa lahy dia lahy ary rehefa vavy dia vavy mba tsy ho tonga amin'ny toy izao satria ny sainy manontolo  mihitsy no niova ka sarotra ny hanarenana izany.

- Tsy mbola niteraka aho ary tsy mbola manambady ihany koa fa ny tsapako eo amin'ny fitaizana dia aleo zarina amin'ny zava-misy eo amin'ny fiaraha-monina izy atoro azy tsara, ny tsara sy ny ratsy ao anatin'izany dia anjarany ny mandinika sy maka lesona amin'izay halehany, ary ity no tena fadio ny fitondrana mitongilana eo amin'ny zanaka n'inona n'inona kilemany sy ny hafa 

(3) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Inona no havoakan'ny anio ?

Nomen'Andriamanitra andro vaovao isika anio, mbola misaotra Azy amin'izany tombony nomeny izany indray, eny mbola nomeny izany isika satria mbola maro ireo adidy sy andraikitra miandry ahy, anao, isika.

Andro vaovao mialoha ny Fivoriana iraisan'ireo vondron-kery misy eto amintsika izay tarihin'ny FFKM, inona no hiseho ary inona no ho tapaka amin'izany, ny irariana anefa dia ny ahatongavana amin'ny vahaolana haingana nefa maharitra mba hivoahana amin'izao zava-manahirana izao, nefa kosa miainga amin'ny fahatsapan-tenan'ny tsirairay izany.

Mialoha ny daty 12 Mars dia efa fantatra fa tsy handray anjara amin'izany ireo mpanohitra mandala ny fitondrana tetezamita, nandà noho ny filazana fa tsy nanaja ny fanekena natao tao Le Hintsy ny Fanjakana mijoro ankehitriny.

Andro vaovao nialohavan'ny zava-nitranga maro samihafa ary saika nahery vaika hatrany ny fomba fisehony, ohatra ny omaly fotsiny fanerena ny Minisitra ny fiarovana hametra-pialàna, fifandonan'ireo mpomba ny ara-dalàna sy ny mpomba ny TGV tao amin'ny kianjan'ny 13 Mai, teo koa ny fanambaran'ny Lehiben'ny CEMGAM fa rehefa tsy mahita vahaolana ao anatin'ny 72 ora ny andaniny sy ny ankilany dia handray ny andraikiny izy ireo, teo koa moa ny fanambaran'ny Filoha am-perinasa, sy ireo hafa ihany koa,

Fa ny tena nahazendana dia ny fanambaran'ny ONU fa tsy miantoka ny Fiaroavana an'I Andry Rajoelina izany izy, handamina no nandefasana ny iraka aty fa tsy hanao izany.

Ny anio mbola mistery ny ora sy ny minitra mbola tsy hay izay fiovàna mety hisy, mety ho tsara nefa ny hifanohitra amin'izay koa no mety hitranga. Ny hirariana anefa dia ny mba hiovan'ny toe-tsainan'ny tsirairay mba hivoahana amin'izao olana misy izao.

Mba hiverina amin'ilay MADAGASIKARA milamina tsiriritin'ireo vahiny maro tonga eto dia mba ho tanteraka ilay hoe "Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay" 

Dia mandra-panoratra indray

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Zao ny hiafarana rehefa baranahany ny tanana eh...........

 Ny hany tsapako hatreto dia tsara ihany ny EMMO mirotsaka, an-dalambe toy ny teo aloha satria hita miharihary izao fa rehefa tsy teo izy ireo noho ny disadisa nisy teo amin'ny foloalindahy dia tsapa fa manararaotra toy ny banga mihomehy alina ireo mpandroba sy ny mpananararaotra. vokany mitondra faisana ireo ny Tranombarotra lehibe sy ny hafa. Mahamenatra ny toy izao satria mampiharihary fa tena mahantra isika, ka ny mangalatra sy mandroba ve no lalana ahafahana mivoaka amin'izany, sao dia tsy rariny kosa eh!

Mety ho vokany: mety hampihena ny fahatokisan'ireo mpandraraha vahiny mampiasa ny volany eto amintsika ny toy izao, sady mety hampihemotra an'ireo izay hiditra ihany koa, ho maro indray ny ho very asa sy tsy an'asa.

Tsy mety izao

Zao izany rehefa baranahany ny ao amin'ny tanàna ah! 

Tsy mety izao  

Tanjombato ilaina hatramin'ny saron-tatatra mba hanaovana tohana 

Sahirana ny mpandeha ny zavatra simba.

Tsy mety izao

Nahazo ny anjarany hatramin'ny orin'asa afak'haba.

Lasa indray ny TGV

Toy izao ny TGV rehefa hendry sy milamina. mitanin'andro eo amin'ny 13 Mai

 

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Ho ahy , ho anao, ho antsika

Hatramin'izao dia tena mahagaga ny fisainan-tsika Malagasy ataoko hoe isika satria inoako fa gasy avokoa no mamaky ity lahatsoratra ity.

39 taona nahazoana fahaleovan-tena isika hatramin'izao, 39 taona nisy Repoblika 3 nifandimby, tarigetra niova hatrany: Tanindrazana- Fahafahana- Fandrosoana, Tanindrazana- Tolom-piavotana- Fahafahana, Tanindrazana- Fahafahana- Fahamarinana,...

Eny 39 taona nisy tolona toa mitovitovy fiseho hatrany, fitakiana an-dalam-be ary tsy maintsy misy foana ny RA latsaka sy ny AINA nafoy, ary matetika dia ireo mpitari-tolona tsy misy voakitika fa ny madinika hatrany, ary ireo ihany ,no mizaka ny vokany avy eo, mampalahelo fa ataon'ny sasany tohotra fiakarana fotsiny ka adinony avokoa ireny rehefa mahazo izay ilainy izy, tsy fantany intsony ilay vahoaka nanao sorona ny ainy tao am-badika.

Ankehitriny ny tena mahagaga ahy dia izao: Iza ireo olona ao ambadikin'ny Mpitary tolona amin'izao? moa tsy ireo efa teo amin'ny fitondrana ihany ve, ary tsy olona efa nifanohitra teo amin'ny fitondrana dia mody mikambana indray tsy azoko, hadinontsika ve nt tantaran'izy ireo sa hodian-tsika tsy hita, ry Malagasy havako mba tongava saina fa n'iza n'iza izany hitondra eo dia tsy maintsy hihinana foana ary takiana eny an-dalam-be foana ny hialany, dia inona no fandrosoana vanona amin'izany angamba mbola ho nofy.

Gasy aho Gasy ianao Gasy isika iza no tena olom-banona sy olo-marina handrasana hitondra ity firenena ity fa hatramin'izao aloha mbola tsy teraka Ambatobevoka fa ny malaza amin'ny tolona sy ny fampielezan-kevitra dia filazana ny FAHANTRANA sy FOMBA hamahana izany foana nefa indrisy ry Gasy Malala ny hameno ny paosy sy ny vata aloha angamba vao ianao raha ho tanterahana aza izany

Samia mangatam-pitahiana ho an'ity TANINDRAZANTSIKA ity fa mahonena sy maha ontsa ny mandinika Azy ary tiavo fa aza atao toy ny an'ny sasany antendro molotra fotsiny fa ny an'ny hafa tsy omeny anao izany. Enga anie mba tsy ho fombafomba intsony ilay hira hoe ZANAHARY Ô TAHIO NY TANINDRAZANAY 

Ireo mpitondranay arovy 

Lalan-dava koa, tolory saina 

hendry kinga sy mahay 

Dia ho tany sambatra 

LAY MADAGASIKARANAY 

 

(5) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Iavoloha 10 Août 1991

" Aza atao taon-dasa tsy tsaroana ity, fa aina koa no latsaka teto..."

(4) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Atolotro ho anao

Manaiky aho FIRMIN

(3) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Ny vola

Toa foana ny fahiny,

Fa ny vola izao no tompoina

Eny ry ankehitriny,

Ny Tompo aza hadinoina

 

Fa hatraiza zany heriny

Fa tsy mamela anao hipetraka

Ny fiainanao toheriny

Tsy mahazo raha vao mitady hiketraka 

 

Na salama na marary

Mila azy hatrany hatrany 

Mahatsiaro, maharary mijaly

Rehefa tsy eo izy hampifaly

 

Lay fihavanana taloha

Nandrianina aok'izany 

Ny vola izao no ao an-doha 

Ka tsy hahatsiarovana izany 

 

Amiko, aminao, amintsika 

Mba aoka samy handanjalanja

Lay kolotsainan-tsika 

Aza atao vandavanda

 

Ry namako isany, manam-petra ny herin'ny vola ka aoka tsy hanaovana ts'inonts'inona ny hafa aoka ho tazomina hatrany lay fahendrena tena malagasy dia ny hoe: "Aleo very...."

Faharoa: Lay tena tokony ho tompointsika indray no hadinon-tsika fa variana lava aminy isika, za tsy mandà hoe aza mitady vola fa na izaho aza mba tia vola, Fa aoka mba handeha hitady amin'ny marina sy mahitsy hatrany.

Mazotoa daholo eh!

 

(1) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Misaotra anao sahady eh!

Namana tsotra sy madio fo,

Izany no katsahiko, isan'andro vaky

Namana hifanoro amin'ny tsara sy ny soa 

Satria izany no tanjoko, izaho Fanhaiky

Tsy sanatria hanilika zay efa nania, 

Fa mbola hifampizara sy hanome fitia 

Koa misaotra sahady anao zay efa nandray 

F'izany tokoa no mpiray tampo 

Ao amin'Izy Ray 

Homba anao hatrany anie Andriamanitra

(3) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Inona no havalinao ?

Lesona ny lalana sy ny fiarahamonina ary indrindra ny fiainana.

"Ny olona hono nateraka ho tsara fa ny fiarahamonina no nanova"

nefa koa,

"Tsy olona hono ny olona raha miaina ivelany na tsy anaty fiarahamonina" (tohiny)

(5) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Tonga soa Fanhaiky!

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.

(0) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

1 2 3 ... 22 23 24  Manaraka»